Fanahy Masina (kristianisma)

Voromailala: simbôlin' ny Fanahy Masina
Eo amin' ny vato ifaharan' ny (ao anatin' ny dome) an' ny Fiangonan' i Md Michael Arkanjely ao Kaunas, Litoania

Ny Fanahy Masina, ho an' ny Kristiana, dia ny herin' Andriamanitra izay entiny miasa na iray amin' ny persônany. Ao amin' ny fiangonana kristiana be mpanaraka sy mitazona ny tenim-pinoana nolovaina hatry ny ela (katôlika sy ôrtôdôksa ary ny ankamaroan' ny prôtestanta) dia tsy hery fotsiny ihany ny Fanahy Masina fa persôna fahatelon' Andriamanitra, manampy ny Ray sy ny Zanaka ao amin' ny Trinite. Ny taranja teôlôjika andinihana sy ampianarana ny amin’ ny Fanahy Masina dia ny Pneomatôlôjia.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search